Ihadilanana-Ambositra: 8 000 Ariary ny kapoakan’ny kafe

  • jeudi, 01 février 2018 12:48
  • Britto

Miaka-bidy izay tsy izy ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro aty amin’ny Kaominina Ihadilanana, 34 km miala ny renivohitry ny Distrikan’Ambositra taorian’ny nifaohan’ny rano ny tetezana vokatry ny rivodoza farany teo.

Sandaina 8 000 Ariary amin’izao ny kapoakan’ny kafe, 1 200 Ariary ny kapoakan’ny sira vongany, 5 000 Ariary ny litatry ny solitany.

Santionan’ny zavatra iainan’ny mponina aty an-toerana ireo, ka anaovan’izy ireo antso ny hamahana izany haingana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.