Toamasina: Misy Faridagnonagna - Halo solaire

  • mardi, 30 janvier 2018 16:03
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Misy rahona mipetraka avo dia avo, any amin'ny 10 000m any ho any, ka miteraka glasy izy io satria mangatsiaka tokoa, any amin'ny -15° C any.

Rehefa midona amin'ny ny hazavan'ny masoandro, dia mifampitaratra ireo glasy ireo ka mamorona faribolana manodidina ny tara-masoandro.

Matetika dia amin'ny fotoana mahabe ny masoandro no ahitana azy, iny atoandro iny.

Tsy dia azo lazaina fa hisy orana akory aorian'io satria mila rahona ambany ny orana. Trangan-javatra tsy misy atahorana izy io.

Aty Toamasina dia Faridagnonagna no iantsoana azy, na Halo solaire.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.