Belobaka-Mahajanga: Olona 2 maty voahosin'ny kamiao

  • lundi, 29 janvier 2018 14:00
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Fiarabe iray mpitatitra vato no nanana olana mekanika, tapaka “rotule” tampoka nanoloana ny orinasa Star teny Belobaka ka nanitsaka vehivavy roa nandeha tamin'ny arabe. Maty tsy tsa-drano ny ramatoa iray izay manodidina ny 35 taona, raha tonga tany amin'ny hopitaly Loterana kosa no namoy ny ainy ny iray faharoa.

Ankoatra ny olana ara-teknika nahazo ilay fiarabe, anisan'ny niteraka ny loza ihany koa ity fefy lehibe an'ny orinasa Star ity izay manarona tanteraka ny sisin-dalana. Misy ny fanamboarana “parking” ataon'izy ireo izay maharitra telo volana izay tsy mifarana raha tsy ny volana martsa 2018 izao.

Araka ny hita amin'ny sary, tsy nisy toerana afaka nanavotan'ireo namoy ny ainy fa tsy maintsy niandry izay nidona na dia efa nahita fiara norimorimo aza. Efa nampitaraina ny mponina hatrany amboalohany io famefena sisin-dalana io raha ny fanazavan'izy ireo saingy tsy nisy mpihaino ka izao nitera-doza izao.

Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana sy ny BMHS nanao ny asany ary efa nentin'ny fianakaviana ny razana.

Tato anatin'ny roa andro izao dia lozam-pifamoivoizana telo samihafa no niseho teto Mahajanga izay namoizana ain'olona efatra. Omaly tolakandro mantsy nisy raim-pianakaviana iray maty nodomin'ny bus teo amin'ny Sotema, ary omaly alina ihany koa, rangahy iray no maty nianjera tamin'ny Moto teny Ambalavola raha izy nandeha mafy iny no sendra nisy lalan-dratsy tampoka ka niala izany ity farany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.