Antsirabe: Vazaha lahy frantsay mipetra-drery nisy namono tao an-tranony

  • dimanche, 21 janvier 2018 15:21
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Lehilahy iray, 70 taona eo, teratany frantsay no nisy namono tao an-tranony ny alin'ny zoma hifoha omaly sabotsy 20 janoary.

Mipetra-drery ao Ambohimiandrisoa ity vazaha ity rehefa tonga teto Madagasikara, fa any an-dafy ny vadiny. Voalaza fa hikarakara ny taratasin-janany ho any ivelany no nahatongavany teto.

Raha ny fantatra dia ny solosaina enti-tanana, fakantsary, finday ary ny vola rehetra no fantatra fa nanjavona aloha hatreto.

Nodarohana dia nofatorana teo am-pandriana, avy eo nosesehana bakiraro ny vavany dia nasiana "scotch". Tombanana ho hasemporana no nahafaty azy.

Misokatra ny fanadihadiana hahitana ny marina. Tsy mbola nilaza ireo akaiky azy na halevina eto Madagasikara na hoentina any an-dafy ny razana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.