Ambavahadimangatsiaka- Antsirabe: Karana voaroba vola roa “sachet”

  • vendredi, 19 janvier 2018 18:24
  • Britto

Nitrangana fandrobana teto Antsirabe androany zoma 19 janoary maraina, tokony ho tamin'ny 9 ora. Karana handeha hamonjy ny toeram-pivarotany no efa nandrasan'ireo jiolahy tamin'ny scooter.

Roalahy ireo nanafika ary basy kilalao no nampiasain’izy ireo, saingy natahotra ihany ny olona. Lasan'ireo jiolahy ny vola tamin'ny “sachet” roa, izay tsy fantatra ny sandany.

Nisy polisy ihany tsy lavitra, teo amin'ny Zaodahy-Ambavahadimangatsiaka saingy nahagaga fa tsy nahavita n'inona n'inona.

Vao nahazo ireo vola moa ireo jiolahy dia nirifatra nianavaratra. Efa lasa izy ireo vao tsikaritra fa tsy tena izy ilay basy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.