Toamasina: Tafaverin’ny ny 80% tambazotran-jiro nopotehin’ny AVA

  • vendredi, 19 janvier 2018 17:57
  • Britto

Simba ny 90%-n’ny tambazotra herinaratry ny Jirama taorian’ny fandalovan’ny rivodoza AVA ny 5 janoary 2018 teo. Efa tafarina ny 80% amin’izao, nanome baiko anefa ny filoha Rajaonarimampianina fa tsy maintsy tafaverina 100% ny famatsiana herinaratra eto Toamasina sy ny manodidina azy hatramin’ny alarobia 24 janoary ho avy izao.

Ny Jirama dia efa nanamafy hatrany fa tsy misy vola haloan'ny mpanjifa amin'izany fanarenana izany. Mpisandoka izay olona milaza manangom-bola na mitaky vola amerenana ny jiro, na anamboarana ny poteau.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.