Faritra Boeny: Zanakazo 25 000 voavoly nandritra ny fanokafana ny taom-pambolena

  • vendredi, 19 janvier 2018 11:57
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Teny amin'ny Kaominina Ambalakida no nanokafana ny taompam-bolen-kazo 2018 tato anatin'ny faritra Boeny. Ny maraina teo no nanaovana izany ka velaran-tany mirefy 20 hektara no norakofana zanakazo.

Tonga nanatanteraka izany avokoa ireo solontenan'ny sampandraraham-panjakana rehetra ato amin'ny Faritra, ny fikambanana sy ny mpianatra izay notarihin'ny Prefen’i Mahajanga Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana.

Ny lohahevitra noraisina tamin'ity taona ity dia "Fambolen-kazo mahomby, antoka ho an'ny fihariana maharitra ara toe-karena".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.