Tanamakoa-Toamasina: Tokantrano maromaro may noho ny herinaratra

  • jeudi, 18 janvier 2018 20:05
  • Britto

Omaly alarobia hariva no nitranga ity loza ity. Nanamboatra ireo tariby tapaka tamin’ny rivodoza AVA ny Jirama tamin’io ary nampilaza ny mponina mba samy hamono ny kaontera.

Nisy tokantrano iray tsy nanaraka io toromarika io anefa ka rehefa vita ny fanamboarana ka niverina ny herinaratra dia niteraka fipoahana avy hatrany niafara tamin’izao fahamaizan-trano maromaro izao.

Tsy nisy ny aina nafoy.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.