Mangarivotra Toamasina: Tovolahy iray matin’ny herinaratra

  • jeudi, 18 janvier 2018 14:25
  • Britto

Ny harivan’ny talata teo no hitan’ny mpandalo nihantona teny ambony andrin-jiro ity tovolahy ity. Nihevitra ny olona fa mpangalatra tariby izy io ka nampilaza tamin’ny JIRAMA.

Tonga tokoa ny mpiasan’ity farany nijery ny zava-misy sady nampidina an’ilay tovolahy nihantona teny ambony, lanin’ny herinaratra. Nifamonjena nentina namonjy hopitaly ilay tovolahy saingy teny an-dalana dia tsy tana ny ainy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.