CISCO Ankazobe: Nahitana trangana pesta omaly

  • jeudi, 18 janvier 2018 14:17
  • Britto

Araka ny fampitam-baovao ao amin’ny takela fesibokin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena dia nahitana trangana pesta tao amin'ny sekoly tsy miankina iray ao anatin'ny CISCO Ankazobe omaly 17 janoary 2018. Mpiasa ao amin'ny sekoly io voan'ny pesta io ka pesta atody tarimo no nahazo azy.

Nandray fepetra avy hatrany nampiato vonjimaika ny fampianarana ao amin'io sekoly io sy namendraka fanafody ireo tompon'andraikitry ny fanabeazana isan'ambaratongany ka amin'ny alatsinainy no miverina amin'ny laoniny ny fampianarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.