Nosy be: Tonga i Aida Aura

  • jeudi, 18 janvier 2018 12:33
  • Tigre
  • Bebel Betombo

Navy eto Nosy be niany 18 janvier tamin'ny fito ora maraina ilay sambo lehibe izay mpitondra ireo touristes mitety izao tontolo izao.

Sambo izay mitondra anarana hoe Aida Aura izay mitondra touriste 1223 ary hikasa hitety faritra 52 eto Madagascar mandritra ny taona araiky ity.

Sambany sambo ity nidriky eto Madagascar, manoloana izany dia nilaminana ary nadio mba nialana tamin'ny fahazarana andavanandro ary nisy ny lamina manokana natao teto amin'ny port ny nosy be hell ville nandritra ny fandraisana ity sambo lehibe ity.

Saiky hita teto avokoa ireo service mikarakara ny sehatra ny fizahantany miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana ary ireo mpitondra fanjakana eto Nosy be.
Ny ankamarohan'ireto touriste ireto dia américain sy allemand ary firenena hafa ihany koa.

Bebel Betombo

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.