Fifamoivoizana: Niverina ny zotram-piaramanidina Nosy Be-Antsiranana

  • mercredi, 17 janvier 2018 10:36
  • Britto
  • Sary nindramina

Niverina nisokatra nanomboka ny talata 16 janoary 2018 indray ny zotra mampitohy an’i Nosy Be sy Antsiranana raha niato namomboko tamin'ny 2015.

Efa tonga tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny fitarain’ny mponina sy fangatahana nataon’ny mpandraharaha maro sy ny Solombavam-bahoaka avy aty Antsinanana tamin’ny tsy fisian’io sidina io nandritra ny roa taona izay, dia izao niverina izao.

Tosika ho an’ny fizahantany aty amin’ny faritra DIANA izao. In-droa isa-kerinandro ny sidina Nosy Be-Antsiranana amin’izao fiverenany izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.