Takaitra navelan’ny AVA: Tapaka ny RN42 Fianarantsoa-Ikalamavony

  • vendredi, 12 janvier 2018 18:01
  • Britto

Tetezana miisa roa amin’ny lalam-pirenena faha-42 mampitohy an’i Fianarantsoa amin’i Ikalamavony dia ao Andrepady sy Ankidondava no niharam-pahavoazana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza AVA.

Miantraika amin’ny famatsiana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro amin’iny distrika iny io fahatapahan’ny lalana io. Sahirana ihany koa ireo tratry ny tsy fahasalamana na koa saro-piterahana ka voatery hamonjy hopitaly lehibe ao Fianarantsoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.