Oniversite Mahajanga: Mpianatra telo no vosambotra

  • mercredi, 10 janvier 2018 14:36
  • Britto
  • Tahirin-tsary Gasypatriote Mahajanga

Mpianatra telo no vosambotra teny amin’ny campus Ambondrona, dia ny filoha lefitry ny fikambanana BDEUM sy ny mpanolotsainan'ny fikambanana ary ny filohan’ny fikambanan’ireo mpianatra avy any Antsiranana ireto nosaborina ireto.

Mbola tohin’ny raharaha nitranga ny alatsinainy 08janoary ity raharaha ity, tsy faneken’ireo mpianatra avy amin’ny BDEUM hanomboka ny fampianarana no antony.

Nitaky ny hampidirana azy ireo amin'ny trano aloha ireto mpianatra ireto vao hanomboka ny fampianarana. Efa nisy anefa ireo mpianatra nianatra ny maraina ka navoakan’izy ireo ny efitrano.

Tsy eken’ireto mpianatra ireto ny fandroahana azy ireo raha ny nambaran’ny filohan’ ny fikambanana BDEUM, Ravelondrazana. Tsy mbola tonga eny am-pelatanan’ireo mpianatra ny valin’ny CODIS hatreto fa mbola any amin'ny Paositra satria naterina isaky ny sampam-pampianarana tsirairay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.