Maroantsetra: Hita ilay mpanamory lakana hazo, efa maty

  • mercredi, 10 janvier 2018 09:22
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Maroantsetra

Hitan'ny fokonolona ny alatsinainy 08 janoary ihany ny vatana mangatsiakan'ilay mpanamory lakana hazo rendrika tanaty rano.

Lakana hazo no nifanena tamin'ny lakam-by mandeha motera ny alahady 07 janoary, tsy natohitra an'ilay onjan'ny lakam-by ilay lakana hazo ka nivadika. Teo amin'ny renirano Ankadimbazaha Anjanazana no niseho ny loza. Nifandrombonana nitady ilay mpanamory lakana hazo fa tsy hita ny andron'iny, raha tsy io alatsinainy io.

Tsy nijanona ilay lankamby niavian'ny loza, ary mbola mitady sy miezaka mamantatra azy ny fokonolona.

Ny fanao aty manko, rehefa mifanena amin'ny lakana hazo ny lakamby misy motera dia mampihena ny hafainganam-pandehany, na manalavitra ireo lakana hazo, fa ity farany ity dia nanohy nirimorimo hatrany ka izao nahafaty olona izao.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.