Sahara: Nisy lanezy

  • mardi, 09 janvier 2018 11:41
  • Tigre
  • Photos Météo France, Sahara en neige

Tamin'ny alahady 07 janoary dia nahavariana ny rehetra, fa dia nisy lanezy na ranomandry taty Aïn Sefra, atsimo andrefan'ny Sahara, faritra faran'izay mafana amin'ny atoandro, fa amin'ny alina kosa dia mangatsiaka.

Faninefany amin'izao io lanezy io tao anatin'ny 37 taona, fa fanintelony tato anatin'ny 5 taona farany izao.

Io moa dia vokatry ny fikisaky ny rivotra mafana avy any amin'ny Tropique ka manova ny toe-trandro aty avaratra ao amin'ny bassin méditerranéen.

Izay no maha be fasika ny aty Sahara, satria amin'ny atoandro dia mahotran'ny 40°C ny hafanana, ka mihitatra ny vato (dilatation), lasa entona ny rano, ritra ny ranomasina, mijanona ambany ny sira, maty ny zava-maniry sy ny biby, ary amin'ny alina kosa dia mangatsiaka satria tsy misy hazo sy trano mitazona ny hafanana, dia mangatsiaka be amin'ny alina, dia mifintina iny vato iny, dia mitresaka tsikelikely, farany, lasa fasika madinika kely, ary mihitatra hatrany ny dezera.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.