Météo: Les inondations et éboulements remplaceront le vent et la pluie

  • mardi, 09 janvier 2018 10:12
  • Tigre
  • Photo Satellite 7h30

Tsiokan’ny Talio no hanjaka any amin’ny avaratra andrefan’ny Nosy fa tsioka miovaova kosa no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny faritra sisa.

Ny maraina, hisy sisan’oram-baratra ny MORONTSIRAK’i DIANA, SOFIA ary BOENY. Somary hanorana ny any amin’ny TENDRONY ATSIMON’ny Nosy. Hifandimby kosa ny rahona sy ny masoandro any amin’iny faritry Sava iny.

Sisan’izay, handrahona na hanjombona ny andro.

Ny hariva, hiseho ny oram-baratra any DIANA, SOFIA ary BOENY raha toa ka hanorana tandrifin-drahona ny any ANALANJIROFO sy ATSINANANA.

Hisitraka orana kosa ny any ATSIMO ATSINANANA sy TOLAGNARO.

Manerana ny faritra sisa eto amin’ny Nosy moa, ahitana fifandimbiasan’ny rahona sy ny masoandro.

Ireto manaraka ireto ny maripàna ho an’ny anio 09 janoary 2018:

Antsirabe: 18°/23°C
Antananarivo: 17°/24°C
Fianarantsoa: 20°/24°C
Antsiranana: 23°/29°C
Mahajanga: 24°/29°C
Toamasina: 26°/30°C
Toliary: 25°/32°C
Tolagnaro: 25°/26°C
Maevatanana: 24°/32°C
Morondava: 28°/33°C

Photo Satellite 7h30)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.