Sambava : Tovolahy 17 taona maty voatsatok’antsy

  • lundi, 08 janvier 2018 11:29
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tovolahy iray, antsoina Sylvano, no lasibatry ny andian-tanora mitam-piadiana androany tamin’ny iray ora maraina raha iny avy namonjy lanonana ka hody any an-trano ao Antanambao-Antaimby.

Naratra mafy ilay tovolahy voatsindrona zava-maranitra, nitolefika ary nameno ny arabe ny rà. Tsy tonga teny amin’ny hopitalibe Besopaka akory dia tapitra ny ainy.

Nokarohina ireo andian-tanora nahavanon-doza ka nisy iray voasambotra ary dia niharan'ny fitsaram-bahoaka.

Nitsongo dia hatrany Antsirabe Sambava ny Zandary fa mbola tafaporitsaka ny sasany raha vao nahatazana ny mpitandro filaminana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.