Maroantsetra: Nivadika ny lakana, niletika tsy hita ny mpanamory

  • dimanche, 07 janvier 2018 21:42
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Maroantsetra

Lakana hazo no nifanena tamin'ny lakam-by mandeha motera, tsy natohitra an'ilay onjan'ny lakam-by ilay lakana hazo ka nivadika.


Teo amin'ny renirano Ankadimbazaha Anjanazana no niseho ny loza, ka mbola tsy hita ilay mpanamory ilay lakana hazo. Nifandrombonana nitady ilay mpanamory lakana hazo fa tsy hita. Kely ny fanantenana ahitana azy velona.

Marihina fa aty Maroantsetra dia ny lakana no fitaovam-pitaterana nentim-paharazana, misy ohabolana hoe, zanaka Antimaroa tsy mandeha tsy andakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.