AVA: Sortie à plus de 170Km de Farafangana

  • dimanche, 07 janvier 2018 20:58
  • Tigre
  • Source Météo

Efa andranomasina any amin'ny 170km Atsimo Atsinanan'i Farafangana ny foiben'ilay Tempête Tropicale Modérée AVA.

Mizotra MIANATSIMO ATSINANANA amin'ny hafainganam-pandeha 13km/ora izy, izany hoe manalavitra antsika, fa mbola mandrakotra an'i Madagasikara ny rahona.

Nitondra orana saika manerana ny Nosy io rahona be miaraka aminy io, ka mahatonga fiakaran'ny rano amin'ny faritra maro eran’ny Nosy.

Toy izao Sisaony nanomboka ny tolak'andro teo, efa mandeha lakana mamonjy ny trano fodiana.

Manentana ireo mipetraka amin'ny faritra iva ahiana ho dibo rano, mankanesa amin'ny toerana azo antoka, toy izany koa ireo eny amin’ny toerana ahiana amin'ny fihotsahan'ny tany.

 

(Source Météo et Photos rivière de Sisaony qui sort de son lit)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.