Antsirabe: Mpivady vao maty nihotsahan'ny tany

  • dimanche, 07 janvier 2018 20:08
  • Britto

Bevohoka efa-bolana ilay tovovavy ary vao tsy ela no nirai-trano izy roa ireo sady tsy mbola vita raharaham-panambadiana akory no izao niara-maty nihotsahan'ny tany tao an-tranony izao.

Ny alin'ny sabotsy hifoha alahady 07 janoary, tokony tany amin'ny 1ora maraina no nofaohin'ny ranotany ny trano hazo nitoeran'izy roa kely ireo ka tototra tao izy ireo.

Mbola tavela teo am-pandriana ilay tovolahy fa ny vadiny kosa mbola nokarohina ela tao anaty ranontany vao hita.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.