Météo: Alerte Cyclone AVA

  • mercredi, 03 janvier 2018 17:46
  • Tigre

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA NY 03 JANOARY 2018 TAMIN'NY 04 ORA HARIVA

Tamin'ny 04 ora teo dia any amin'ny 365 Km Avaratra Atsinanan'ny Sainte Marie no misy an’i AVA. Manodidina ny 75 Km/ora ny rivotra entiny ary tafiotra 105 Km/ora.

Araky ny vinavina dia mbola hitombo hery izy mialohan'ny hidirany antanety eo avaratry Toamasina ny marainan'ny 05 janoary 2018.

Araka izany dia miova toy izao ny Filazana loza:

Filazana miloko mavo (loza manambana): Antalaha, Mandritsara, ny faritra Analanjirofo, Atsinanana sy Alaotra Mangoro.

Filazana miloko maintso (fanairana): Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan'ny Antalaha sy Toamasina dia iangaviana tsy hiandriaka intsony manomboka rahampitso alakamisy 04 janoary 2018.

 

(Source Météo Madagasikara)

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.