Météo du mercredi 03 janvier 2018

  • mercredi, 03 janvier 2018 10:23
  • Tigre
  • Photo Satellite 03 janvier 07h30

Mitoetra hatrany ny Zone de convergence tropicale ary hitohy ny orana amin'ny faritra avaratra.

Nivadika faritra andro ratsy ilay rivotra any amin'ny 550Km atsinanan'ny Sainte Marie, fa mbola tsy feno ny fepetra maha cyclone na rivodoza azy, fa hitombo hery hatrany izy.

Vinaina hiditra an-tanety rahampitso alakamisy 04 na 05 janoary.

Mipetraka izany ny filazana miloko maitso, mety andalo ao ny rivotra mandritra ny 2-5 andro amin'ny faritra Antalaha, Analanjorofo, Antsinanana, Alaotra Mangoro.

Ilazana ihany koa ireo mampiasa ny ranomasina eo anelanelan'ny
Antalaha - Toamasina fa hisy tafiotra eny andranomasina.

Ny maraina, ho avy ny orana any amin'ny tendrony avaratra sy ny faritra atsinanana, tandrifindrahona ny faritra Melaka sy Menabe, ny sisa dia andrahona ny andro.

Ny hariva, dia hitohy ny orana ny faritra avaratra sy atsinanana, hifandimby ny rahona sy ny masoandro ny faritra Menabe, Atsimo andrefana, Androy, ny sisa dia oram-baratra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.