Malaimbandy: Voatafiky ny dahalo ny taxi-brousse, maty ny saofera

  • vendredi, 29 décembre 2017 19:51
  • Tigre
  • Sary Nomena

Nitrangana fanafihana dahalo indray tamin'ny lalam-pirenena Malaimbandy-Morondava io tolak'andro io.

Taxi-brousse avy any Morondava hiazo an'ny Malaimbandy, ka dia voasakana teo amin'ny 5km miala ny croisement Malaimbandy, Distrikan'ny Mahabo, tokony tamin'ny 3ora sy sasany tolak'andro teo.

Avy da raikitra ny tifitra nataon'ireto dahalo, ka dia voa ny saofera.

Nentina malaky tany amin'ny hopitaly fa tsy tratra ny ainy. Naterina tao amin'ny Zandary Ankilizato ny razana.

Fantatra ihany koa fa nisy Vehivavy mianaka nalain'ny dahalo ankeriny alina tao Malaimbandy hatrany.

Ny Fokonolona no miezaka manao izay vitany amin'ny fanarahan-dia, fa voalaza hatrany moa fa raha vao mitondra Zandary dia firain'ireto dahalo ny tendan'ireo tratra ataony takalon'aina, vola hatrany amin'ny 20 tapitrisa ariary hatrany no angatahan'ireto dahalo ireto vao avotsotrany ireo takalon'aina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.