Fianarantsoa: Lozam-pifamoivoizana nandratra olona 28

  • vendredi, 29 décembre 2017 17:29
  • Britto
  • Sary Nomena

Fiara fitateram-bahoaka izay nangalatra zotra mankeny Andrainjato no niharam-boina teny an-dalana. Tapaka hisatra ilay fiara ka nandona fiara iray mitatitra olona mankany Mahasoabe.

Tsaboina eny amin'ny CHU Tambohombe avy hatrany ity tolakandro ity ireo olona naratra sy voadona mafy tao anatin'izany voina izany.

Voatazon'ny Polisim-pirenena kosa ilay mpamily fiara nahatonga izany lozam-pifamoivoizana izany.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.