Ambohidahy: Nasiana fefy kely

  • vendredi, 29 décembre 2017 14:54
  • Tigre
  • Sary Njaka

Mba tsy hisian’ny disadisa eo amin’ny Kaominina an’Antananarivo sy ny eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny manodidina amin’ny resaka Parking, dia nanapa-kevitra ny tao amin'ny Kaominina ny hanisy fefy tsy azon’ny fiara hijanonana intsony etsy Ambohidahy.

Ity no vahaolana farany izay nampifanolana ny teo amin’ny CUA sy ny ministera manodidina an’Ambohidahy ary ny faritany izay mametraka fiara eo amin’ny sisin-dalana, izay tokony ho lalan’ny mpandeha an-tongotra.

Araky ny hevitry ny olona mpandeha eny an-toerana dia manaiky tokoa ny fisian’intony fefy intony satria dia tsy hananosarotra ny fandehanana eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.

Asa na hanao ahoana amin'io taona ho avy io raha hisy handrava indray ireo fefy ireo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.