Malaimbandy: Lehilahy mpampianatra nataon’ny dahalo takalonaina

  • jeudi, 28 décembre 2017 14:14
  • Zakaria

Mpanabe iray ao amin’ny EPP Mananosoa Malaimbandy no nalain’ny dahalo ankeriny alina. Hatramin’izao mbola any ampelan-tanan’ireo mpaka takalonaina izy. Mitaky vola 20 tapitrisa Ariary ireto farany ho tambin’ny famotsorana azy.

Ny findain’ilay ramose no ifandraisan’ireo mpaka an-keriny amin’ny fianakaviny hatramy 11ora atoandro teo, ary taorian’izay dia maty ilay finday.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.