Fianarantsoa: Raharaha Ikongo ao anaty fandaminana

  • jeudi, 28 décembre 2017 09:06
  • Zakaria
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Notanterahin'ny lehiben'ny CIRGN eto Fianarantsoa omaly 27 desambra ny famangiana ny fianakavian'ny Zandary iray lavo nandritra ny iraka tany Ikongo andro vitsivitsy.

Nitondra ny teny fampiononana sy famangiana avy amin'ny filoham-pirenena izy tamin'izany. Fotoana ihany koa io mba ahenoana ny fivoaran'ny toe-draharaha misy any Ikongo.

Tontosa niaraka tamin'ny vahoaka any ifotony ny fifanarahana notarihin'ny filoha lefitry CFM sy ny prefen'i Manakara ary ny lehiben'ny Faritra Vatovavy Fitovinany.

Tapaka tao anatin'izany ny fagnina mba tsy hiverenan'ireny tranga ireny intsony amin'ny alalan'ny fifampiresahan'ny mpitondra sy ny solontenan'ny vahoaka ary ny raiamandreny ara-drazana raha misy tranga miseho.

Etsy an-daniny dia mbola tsy misy mpiambina ny fonja any Ikongo, miandry fanendrena vaovao ny tandrify izany andraikitra izany. Tsy ahitana solontenan'ny fitsarana ihany koa any an-toerana raha ny voalaza nandritra izao fihaonana izao.

13 no isan'ny olona nigadra niverina amin'izao fotoana izao. Anjatony mahery kosa no mbola karohina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.