Ambodisatrana - Sambava: Nirehitra ny magazay lehibe iray fivarotana piesy

  • mercredi, 27 décembre 2017 14:15
  • Zakaria
  • Sary Sobika Sambava

Afo avy tamin’ny varomaizina lasantsy tao amin’ny efitra nifanila tamin’ilay magazay no nahatonga ny firehetana. Teo ampanafanana savoka hatao amin’ny trano ny tao amin’ilay trano, tamin’ny 9ora maraina teo no nisy olona tonga hividy solika, kinanjo nahazo ny lelafo dia nirehitra tampoka, ary dia niredareda ny afo.

Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny tsy fananan’ny kaominina ambonivohitra Sambava ny fiara mpamono afo fa miantehitra amin’ny an’ny ADEMA eny amin’ny seranam-piaramanidina nefa sarotra ny fahazoana ity farany, ka matetika efa rava ny fananana vao tonga.

Naharitra ora roa vao voafehy ny afo, izay namotika ireo foto-drafitrasa tao anaty tamboho fa tsy niitatra tamin’ireo trano manodidina.

Efa nofoanana ny fivarotana solika ivelan’ny toby mpaninjara solika ary dia norarana mihitsy ireto farany mba tsy hivarotra solika amin’ny “bidon” saingy niverina sahady izany izao dia io mamoa-doza io.

Niezaka ny avy amin’ny Zandarimaria niaro ny entana manodidina izay efa navoaka tety ivelany mba tsy hisy angalatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.