Katsepy: Rendrika ny sambo Fanantenana, mpandeha 13 nieren-doza

  • mercredi, 27 décembre 2017 13:05
  • Zakaria
  • Sary Sobika Mahajanga

Sambo niala teto Mahajanga ny 25 desambra tokony ho tamin'ny misasakalina ity sambo ity saika hihazo an'i Tambohorano, toerana 75 km miala an'i Maintirano. Tsy hay anefa izay tena nitranga fa rehefa tonga taty akaikin'Antrema ambadiky ny jirobe (phare) Katsepy dia natsipin'ny rano ny sambo ka nidona tamin'ny vato ary nisy fahavakisana tamin'ny vatany. Nidiran'ny rano araka izany ity sambo ity.

Avotra avokoa ireo mpandeha 13 tao anatiny satria efa nahazo sisiny ilay sambo. Ireo entana tao anatiny kosa no lena avokoa ny antsasa-manila na dia efa nezahina novonjena navoaka aza. Tsy hay izay tena olana na resaka teknika tamin'ity sambo ity na vokatry ny rivotra (mantasaly) izay nahery be tato anatin'ny herinandro izay, indrindra isaky ny maneno akoho ka raha tsy motera matanjaka tsara, tsy mahatohitra io mantasaly io.

Efa tafaverina eto Mahajanga avokoa ireo mpandeha tao anatin'ilay sambo raha ny fanazavana avy amin'ny talem-paritry ny APMF eto Mahajanga, Maurice Tianjara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.