Aranta-Mahajanga: Tsy afa-mikofoka ireo mpitatitra zatra gaboraraka

  • mercredi, 27 décembre 2017 12:34
  • Zakaria
  • Sary Sobika Mahajanga

Mitohy ny fidinana ifotony tampotampoka ataon'ny foibem-paritry ny fitaterana eto Boeny sy ny mpitandro ny filaminana miaraka amin'ny sampan-draharahan'ny fitaterana avy ao amin'ny kaominina renivohitra Mahajanga manara-maso ireo fiara fitateram-bahoaka miasa mampitohy an'i Mahajanga amin'Antananarivo.

Ny sabotsy sy ny alahady teo, fiara maromaro no voatery nosintonina ny atontan-taratasin'izy ireo. Fiara miraikitra tsy mety misokatra ny fitaratry ny varavaran-kely izay voararan'ny lalàna noho izy ireny tsy mety ivoahana raha misy loza no sady tsy ara-pahasalamana satria tsy ampy ny fivezivezen'ny rivotra.

Tsy maintsy manamboatra ireo fitaratra ireo mba hanara-dalana aloha ny tompony ary rehefa vita izany dia miroso amin'ny “contre visite” eny amin'ny Centre de Sécurité Routière ary manao “visite de conformité” eny amin'ny foibem-paritry ny fitaterana izay vao afaka miverina miasa ireo fiara ireo.

Mbola aharaisana fitarainana ihany koa ireo fitaratra mitete tsy mitana tsara ny “joint” ka tokony hojerena amin'izao fahavaratra izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.