Anjakaivo-Andohatanjona Itaosy: Lehilahy iray maty voatifitra, telo hafa naratra mafy

  • samedi, 23 décembre 2017 22:33
  • Britto

Nirefodrefotra ny poabasy teny Andohatanjona Itaosy ny hariva teo tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany. Tokatrano iray no notafihana andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Voatifitra tamin'izany ny raim-pianakaviana tompon-trano rehefa nahazo izay notadiaviny ireto jiolahy ireto.

Nisavoritaka avy hatrany ny teo amin'ny manodidina satria mbola fotoana be mpivezivezy rahateo ny fotoana nitrangan'ny fanafihana. Mbola nirarakompana anefa ny tifitra nataon'ireo jiolahy nandritra ny fitsoahany ka lehilahy iray no maty, voa teo amin'ny lohany ary telo hafa ihany koa naratra voatifitra.

Nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana nipoahan'ny afomanga tao amina trano filanonana nandray mariazy ihany koa ny poa-basy ka nanafangaro ireo feo ireo, izay tsy hay intsony ny nanavaka azy.

Efa mampitaraina ny mponina amin'ireo fokontany manodidina moa ny fanapoahana afomanga ataon'io trano fandraisana lanonana io raha ny fanazavan'ny sefo fokontany. Efa tsy fahafinaretana intsony no azo fa fitaintainana.

Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ireo mpitandro ny filaminana na dia somary tara aza ny fahatongavany noho ny halaviran'ny toerana. Efa nentina any amin'ny hopitaly ihany koa ireo naratra. Tafaporitsaka avokoa moa ireo jiolahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.