Ambodimandresy – Antsohihy: Omby 15 lasan’ny dahalo

  • samedi, 23 décembre 2017 19:48
  • Britto

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana omaly zoma 22 desambra alina, tao Andamoty fokontany iray ao amin’ny Kaominina Ambodimandresy, faritra Sofia. Lasan’ireo jiolahy ny omby miisa 15.

Naratra mafy nandritra izany ny lehilahy mpiambina vala, voatifitra eo amin’ny tongotra ny iray ary nahazo fotom-pe ny faharoa. Samy tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Antsohihy izy roalahy naratra ireo amin’izao.

Any ampanarahan-dia kosa ny Fokonolona sy ny miaramila miara-miasa amin’ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.