Oniversiten' i Mahajanga: Tsy marina ilay tsaho nihely nilaza fa nisy mpianatra voaroka

  • samedi, 23 décembre 2017 19:15
  • Britto

Taorian'ny nampiakarana ireo mpianatra miisa 69 tamin'ny Conseil de discipline, dia nisy tsaho nihely fa mpianatra 44 no voaroaka. Nanao fanambarana ny filohan' ny oniversiten'i Pr Rakotoarivony Andrianony Emmanuel fa tsy nisy mpianatra noroahina noho ny famindram-po nomena azy ireo fa sazy mihantona no ankamaroany.

Miverina mianatra amin'ny 8 janoary ny oniversiten'i Mahajanga ary mbola hojerena miandalana ny mahakasika ny fiverenana amin'ny trano izay miankina tanteraka amin'ny fahavitan'ny fanamboarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.