Sambava: Tsy lasa ireo razana 2, Zaza maty an-drano

  • mercredi, 20 décembre 2017 16:48
  • Tigre
  • Sary nomena

Tokony hiondrana ny fiaramanidina androany alarobia 20 desambra hiazo an'Antananarivo ny vatamangatsiakan'ireo Zaza roa maty andrano ny alatsinainy 18 desambra, fa teo ampikarakarana ny fampidirana ny vata, dia nisy rano mbola nitsiaka nivoaka ivelan'ny vata, ka tsy azo atao, ho fiarovana ny fiaramanidina, ny mampiakatra ireo razana ireo, ka tsy maintsy averina indray mandeha ny famonosana azy.

Zaza nandeha nilomano moa izy efatra mianadahy ny alatsinainy tolak'andro, vavikely ny iray ary mpiray vodirindrina. Ny roalahy no nilomano, ny iray manana fahasembanana, moana, nitazona ny ankanjo teo amin’ny tora-pasika.

Ny vavikely no nilomay nampilaza tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo rehefa nahita azy roa lahy sempotra tao anaty ranomasina.

Nifamonjena ny fanavotana tao anaty ranomasina. Adin’ny iray taorian’ny antso vonjy no hita ny tovolahy kely iray 13 taona, ary nentina namonjy hopitaly nialana nenina saingy tsy avotra ny ainy.

Omaly talata maraina, tamin’ny valo ora latsaka fahefana teo kosa no hita teny amin’ny tora-pasika ny vatana mangatsiakan’ny zazalahy faharoa nanjavona hatry alatsinainy io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.