Fianarantsoa: Manamarika ny asaramanitra ny depiote iray

  • mercredi, 20 décembre 2017 06:54
  • Britto

Mikarakara fizarana vatomamy ho an'ny zaza madinika eto an-toerana ny Solombavambahoaka Razaranaina Nome voafidy teto Fianarantsoa ity andron'ny alarobia 20 desambra ity. Miavaka amin'ny fifandraisany amin'ny vahoaka aty ifotony izany raha malaina manao tatitra sy miray hina amin'ny zava-misy iainan'ny distrika nahalany azy izy mandavan-taona.

90% n'ny fanehoan-kevitra eny anivon'ny fandaharana mivantana amin'ny onjampeo no mametraka ity solombavambahoaka ity ho nandiso fanantenana tanteraka.

Mbola hanahirana ny famerenana izany fahatokisan'ny vahoaka izany amin'ny fifidianana manaraka. Efa ahenoana vina filatsahan-ko fidiana vitsivitsy eto Fianarantsoa etsy an-danin'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.