Mahajanga: Mpamily Bajaj mamo, nandratra mpandeha

  • lundi, 18 décembre 2017 19:04
  • Zakaria
  • Sary Sobika Mahajanga

Nampangain'ny tavoahangin-dabiera sy toaka niparitaka teo amin'ny arabe sy ny fofona teny aminy ilay mpamily Bajaj, nanao lozam-pifamoivoizana. Nivadika ambony ambany ny Bajaj nentiny teo akain'ny Fiangonana FJKM Ziona Vaovao Mahajanga.

Tsy nisy ny fiara nifandona taminy fa tsy nahavoafehy ny familiana izy noho ny hamamoana tafahoatra.

Halina tamin'ny 10 ora no nisehoan'izany loza izany. Naratra ny mpandeha tao anatiny ary mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitalibe Androva.

Raha ny fanazavan'ilay tovovavy naratra, dia efa nahatsikaritra ny tenany fa mamo ilay mpamily ary efa nangataka ny hiala izy saingy nilaza ilay mpamily fa tsy misy tokony hatahorana. Nivaralila anefa ilay Bajaj ary izao nivadika izao no niafarany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.