Sambava: Ankizy efatra nilalao ranomasina, ka nifandrombahana (nifamonjena) ny iray

  • lundi, 18 décembre 2017 16:23
  • Zakaria
  • Sary Sobika Sambava

Androany tamin’ny iray ora dia antsoantso no nanaitra teny amin’ny vinany Antaimby fa misy ankizy iray manodidina ny 13 taona nanjavona tsy hita taorian’ny fanairana nataon’ny tovovavy kely niara-dia tamin’izy ireo ka ankizilahy manana fahasembanana, moana, ny iray tamin’izy ireo. Ity farany ity no niandry teto an-tanety ka pataloha roa sy kapa iray ary akanjo iray no teny an-tanany.

Vory maro ny vahoaka ka niaraka nitady ilay zazalahy na dia tsizarizary aza ny fitaovana izay teo ampelatanana ho entina mamonjy voina. Nampandrenesina ireo mpitondra eto an-tanàna mba hangatahana “vedette rapide” an’ny BNGRC ao amin’ny toby miaramila Ambolimadinika fa tsy nahazo.

Ny mpitandro filaminana ihany koa variana tany amin’ny fiarovana ny tranon’ny Loholoha HVM Befototo Angelin eo Antaimby, izay natahotra ny hisian’ny sakoroka taorian’ny fandravana ny fivarotan’ny mpivarotra.

Afaka ora iray, tamin’ny roa ora tolakandro teo, izay vao hita i Johary, ilay zaza nokarohina tao anaty ranomasina. Avy any Antananarivo no fiaviany. Mpamily Bajaj tsara sitrapo no nanolo-tanana nitondra azy namonjy ny sampandraharaha fameloman’ainan’ny hopitaly fa tsy nisy Ambulance.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.