Aéroport Atlanta: Tapaka nandritra ny 11ora ny jiro, anarivony ny fiaramanidina voatery nofohanana ny sidina

  • lundi, 18 décembre 2017 14:24
  • Tigre
  • Sary nindramina Ouest-France

Anisan'ny Seranampiaramanidina lehibe ary mandray fiaramanidina amin'arivony isan'andro ity Aéroport d'Atlanta any Etats-Unis ity.

Omaly alahady anefa dia tapaka avokoa ny famatsian-jiron'ny aéroport, ka dia nikatso tanteraka ny fifamoivoizana anabakabaka, anarivony ny fiaramanidina no navily lalana sy tsy afaka niainga, nisy aza ireo fiaramanidina efa tafapetraka amin'ny seranana no nikatso teny afovoany satria tsy afaka nifandray tamin'ireo mpandrindra ny habakabaka.

Voalaza moa fa noho ny fisian'ny afo nirehitra tao amin'ny toerana famatsiana herin'aratra no nahatonga izany, ka na ny famatsiana vonjy maika aza dia nikatso tao avokoa.

Efa mahazatra ny maro moa ny sarimihetsika ilay zaza adinon'ny ray amandreniny hatrany rehefa andro noely, ary dia fahita hatrany ny fikatsoana eny amin'ny seranam-piaramanidina ireny, fa ity indray mitoraka ity dia tsy sarimihetsika intsony fa dia olona efa amanaliny no niaran'izany fikorontanana izany omaly.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.