Antsohihy: Notafihin'ny jiolahy ny sekolin-dry masera SEVIRA, naratra mafy ny mpiambina, very ny vola

  • samedi, 16 décembre 2017 18:55
  • Zakaria

Ny biraon’ny masera Tale no lasibatra tamin’ity vaky trano ity halina. Lasan'ireo jiolahy ny ordinatera sy volan-dry masera. Naratra mafy niharan'ny vono ny mpiambina, ary voatery nampiana ra mihitsy.

Herinandro mialoha io fanafihana io no efa nahazo teny fampitandremana ny mpiambina ny SEVIRA (Sekoly Victoire Rasoamanarivo) ary nampahafantatra ny fisian’izany fandrahonana izany tamin’ny mpitandro ny filaminana teto Antsohihy ry masera nefa izao mbola voatafika izao ihany.

Namafisina daholo anefa ny fiarovana ny “mission catholique” rehetra eto Madagasikara taorian'ny namonoan’ny sasany tamin’ny fomba feno habibiana ny Père Supérieur Jiva Lucien tao amin’ny Noviciat des Frères Mineurs Capucins teo Ambendrana Antsohihy ny alahady 23 aprily 2017.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.