RN4 - Lozam-pifamoivoizana: 3 no namoy ny ainy teo amin'ny pont Belalandy

  • samedi, 16 décembre 2017 18:54
  • Britto
  • Sary nindramina

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo anelanelan'i Antsiafabositra Maevatanàna sy Mamokomita amin'ny lalam-pirenena fahaefatra ny alin’ny zoma 15 desambra 2017. Kamiao iray avy any Antananarivo lany rivotra ka tsy nisy hisatra no nifanena ka nandona ny fiara mpitatitra Sprintera an’ny kaoperativa Cotisse hivoaka ny tetezan’i Belalandy ary tsy nijanona ilay fiara raha tsy nifatratra tamin’ny rindrintany.

Vokany, maty ny mpamilin’ilay Cotisse raha vao tonga tao Maevatanana ary mpandeha anankiroa ihany koa namoy ny ainy. Naratra avokoa ny ankamaroan'ny mpandeha.

Anisan’ny mpandeha tamin’io fiara io Atoa Toky Rahaingo, Solontenam-paritry ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT eto Mahajanga. Naratra ny lohany fa nahatsiaro tena ihany izy ka nanafatra ny vadiny nikarakara “ambulance” niakarana any Antananarivo hitsaboana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.