Ikongo: Kamiao miaramila lasan’ny rano, Miaramila enina, Zandary roa ary Polisy iray mbola karohina

  • samedi, 16 décembre 2017 14:47
  • Zakaria

Nitrangana loza tao amin’ny Kaominina Ambinanitromby, 28km tsy hahatongavana ao an-drenivohitry ny Distrika Ikongo androany tokony mitatao vovonana teo. Kamiao mitondra Miaramila sy Zandary ary Polisy hiazo an’Ikongo hanao renfort no nofaohin’ny rano teo ampitsakana ny “radier” Ambinanitromby.

Ny antsoantso vonjy nataon’ireo tao anaty kamiao sy ireo namany tamin’ireo fiara 4X4 roa hafa taoriany no nanaitra ny Fokonolona izay tonga nanome tanana avy hatrany niaraka tamin’ny lakana nanao vonjy aina. Avotra ny ankamaroan’ireo tao anaty kamiao. Mbola misy Miaramila enina, Zandary roa ary Polisy iray karohina anefa amin’izao ora anoratana izao.

Andia-miaramila faharoa ireto tra-doza ireto, fa ny andiany voalohany efa tonga ao Ikongo hatry ny alakamisy teo. Fiara telo izy ireo no niaraka, ka ilay kamiao no nialoha lalana. Tamin’ny 3ora maraina no tonga tamin’io toerana io. Efa nilaza tamin’izy ireo ny Ben’ny tanànan’Ambinanitromby mba hiandry ny fidinan’ny rano, afaka ora telo eo, vao manohy ny dia saingy nikiry izy ireo, dia izao tra-doza izao.

Efa milamina ny toe-draharaha ao Ikongo taorian’ny rotaka tamin’ny talata 12 desambra 2017 nitakian’ny andian’olona mba hampiharana dina amin’ireo olona miisa 7 voampanga tamina vono olona, hetsika izay niafara fakana takalonaina mpiandry fonja efa-dahy ka nanararaotan’ireo voafonja miisa 95 nitsoaka,. Niverina ao am-ponja ny 8 tamin’izy ireo, ny ambiny mbola miriaria any.

Ireo voampanga miisa 7 fototry ny rotaka kosa efa nafindran’ny Fitsarana mialohan’ny fotoana ao amin’ny Fonjan’i Fianarantsoa.

Ny Député lany tao Ikongo Brunnel Razafintsiandraofa kosa no nanelanelana niaro ireo mpitsara sy mpiasan'ny Fitsarana mba tsy ho rotahin'ny olona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.