Kitra-Ligin’i Sofia: Tafaverina amin’ny toerany i Ranaivohasivao Parson Bruno

  • samedi, 16 décembre 2017 13:29
  • Britto

Tontosa omaly zoma ny fifidianana ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra aty Sofia. Seksiona miisa fito no mifidy. Roa ny kandida nifaninana. Voafidy ho filoha, nahazo isam-bato enina tamin’ny fito Atoa Ranaivohasivao Parson Bruno, izy ihany moa no filohan’ny ligy teo aloha ary dia hitantana mandritra ny efa-taona ho avy, izay taona olimpika faharetan’ny taom-piasana.

Tafaverina amin’ny toerany ihany koa ireo mpikambana miisa fito ao amin’ny birao mpanatanteraka niaraka taminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.