Fianarantsoa: Naato ny fifidianana filohan'ny ligin'ny baolina kitra Matsiatra Ambony

  • samedi, 16 décembre 2017 12:49
  • Zakaria

Samy efa tonga teo amin'ny toerana fandatsaham-bato ireo mpifidy avy amin’ny seksiona. Na ny kandida tokana aza dia nanatrika ny fotoana. Saingy nisy ny fifandresen-dahatra izay natrehan'ny foibem-paritry ny fanatanjahantena sy ny tanora. Nanotrona izany ihany koa ny mpankafy baolina kitra sy olo-maro tsy voatanisa. Rehefa natao ny fandinihana momba ireo tsy fahatomombanana rehetra dia niarahana nahatsapa fa tsy feno ny fepetra ahafahana manao fifidianana.

Nanapa-kevitra ho fampiatona an'izany ny vaomiera misahana ny fifidianana eto an-toerana.

Noraiketina an-tsoratra niaraka tamin'ny vaditany na “huissier” ny fizotry ny fotoana rehetra. Nalefa ho tatitry ny zava-misy any amin'ny vaomiera nasionaly miandraikitra ny fifidianana eo anivon'ny federasion ny anton-taratasy fanamarinana rehetra.

Miandry ny valin'izany am-pitoniana ny fianakaviamben'ny taranja baolina kitra eto an-toerana arak'izany. Ny fanambarana isan-tokony no manazava ny sain'ny olona momba ny zava-nitranga ankoatry ny famoaham-baovao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.