Tanandava Toamasina: Vary simba sy lo nodorana mbola nifandrombahan’ny olona nalaina

  • jeudi, 14 décembre 2017 18:49
  • Zakaria
  • Sary Sobika Toamasina

Notanterahina tao Tanandava ny alatsinainy 11 sy ny talata 12 desambra teo ny fandorana ireo vary simba sy lo miisa 1.016 lasaka an’ny orinasa “Moto Commodities”.

Vao lasa anefa ny ekipan’ny “Task Force” nanao ny fandorana ny vary dia nifandrombahan’ny olona satria tsy may tanteraka na efa natao tao anaty lavaka sy nodorana tamina solika aza.

Ahiana ny fahasalaman’ny mponina mihinana ireo vary simba sy lo izay efa voamarina tamin’ny fitiliana natao tamin’ny laboratoara fa tsy azo hanina intsony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.