Ikongo: Vaky notafihan'ny vahoaka ny fonja

  • mercredi, 13 décembre 2017 18:32
  • Tigre

Nisy vono olona nitranga tany Ikongo herin'andro mahery izay, voasambotry ny olona ilay nahiana, ka dia tao ny avy dia saika hampiatra ny Dina sy ny fitsarambahoaka, tao kosa anefa ny nilaza fa tokony ho entina eo anivon'ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ny raharaha.

Tapaka fa dia atolotra ny fitsarana ireto olona ireto, rehefa natao ny fanadihadiana dia nahiditra am-ponja vonjy maika na MD ireo olona 7 voaroiroy ho nahavanon-doza.

Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa nisy andian'olona efa ho 800 nikasa haka ireto voarohirohy hatao fitsaram-bahoaka, ka dia nihazo ny fonja haka ireto olona ireto. Tsy nahatohitra ireo mpiambina fonja ka dia vaky ny fonja.

Tsy hita tao amponja anefa ireo notadiavina, ka dia raikitra ny sakoroka, samy vaky nandositra na ny mpiambina na ny voafonja tao anatiny.

Raha ny vaovao mari-pototra azo anefa dia fomba fanao ny mametraka toerana hafa ny gadra voaroirohy amin'ny resaka fitsaram-bahoaka hiarovana ny ainy, ka toeran-kafa no nasiana ireto gadra ireto, nefa moa ny fokonolona any an-toerana tsy te halala fa dia nisy mpiambina ny fonja notazomin'izy ireo atao takalon'aina amin'ilay gadra na ilay mpitsara.

Ireo mpiasan'ny Fitsarana moa dia nisitrika any an-tranon'olona avokoa noho ny fitadiavan'ireo fokonolona azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.