Asan-dahalo nivadika kidnapping: Tsy omby intsony no alaina fa olona no entina

  • mardi, 12 décembre 2017 11:03
  • Tigre

Aty amin'ny Faritra Malaimbady, izay anjakan'ny tsy fahandriam-pahalemana tanteraka, dia efa tsy misy firy intsony ny omby angalarina, ka dia ny olona indray izao no alaina. Tsy miverina iny olona iny raha tsy mandoa vola amin'ny toerana iray, izay atoron'ireo dahalo ireo, lelavola 05 tapitrisa Ariary ny fianakaviana.

Halina tao amin'ny Fokontany Manga Rivotra, dia andian-dahalo 13 no nanafika tokan-trano iray, nofiraindreo ny antsibe ilay lehilahy iray namaly, lehilahy roa hafa kosa no nentin'izy ireo niaraka amin'izay entana zakany, ny finday, ny vola tao an-trano.

Raikitra ny fanarahan-dihan'ny fokonolona, ny Zandary vitsy no sady matahotra. Mandrahona amono ireo takalon'aina ihany koa ireto dahalo raha minday Zandary.

Ahian'ireto fianakaviana ny ain'ireto havany, satria raha tsy manome 05 tapitr'isa Ariary isaky ny olona nentiny dia firainy tendan'ireo olona ireo. Ny vola tsy misy, ny fijaliana efa tsy resahina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.