Toamasina : Karana mpanafatra vary tratra nivarotra vary lo

  • jeudi, 07 décembre 2017 21:59
  • Britto

Vary efa lo sy simba miisa 2.310 lasaka ary nogiazan'ny fanjakana, no nanirahan'ity mpandraharaha Karana ity, hafindra anaty gony ary nokasainy hamidy eny an-tsena. Tra-tehaky ny ekipan'ny Task force Toamasina, izay ahitana ny talem-paritry ny varotra sy ny talem-paritry ny fitaterana ary ny komandin'ny vondrom-pileovan'ny Zandary Atsinanana io hosoka io.

Noraisina avy hatrany ny fepetra ka tsy ny vary fotsiny no nogiazana nanomboka androany alakamisy atoandro fa ny mangazay manontolo mihitsy, na mbola misy vary 6.834 lasaka mbola tsara azo amidy aza ao anatiny.

Fotoana vitsy taorian'io fanagiazana sy fanakatonana mangazay dia efa misy olom-panjakana ambony sahady re miditra ho mpanelanelana amin'ity raharaha eto Toamasina ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa