Antsiranana: Hampiantrano ny fihaonambem-paritry ny HVM ny 15-16 desambra

  • vendredi, 01 décembre 2017 06:51
  • Zakaria

Taorian’i Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina ary Toliara dia fantatra izao fa hotanterahina eto Antsiranana ny 15 sy 16 desambra ho avy izao ny fihaonambem-paritry ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM).

Nahazo fampilazana ireo sekolim-panjakana eto an-toerana, fa hampiantrano ireo mpizaika amin’io fihaonambem-paritry ny HVM io, vaovao izay nanaitra ny teto Antsiranana satria raha ny fepetra nambaran’ny teo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ombieny ombieny, dia tsy azo andraisana hetsika ny sekolim-panjakana raha tsy mahakasika ny fampianarana ihany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.