Mahajanga: Lehilahy hita faty natsingevan'ny ranomasina

  • jeudi, 30 novembre 2017 20:38
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Teny amin'ny Village Touristique indray no nahitana ity razana ity anio alakamisy 30 novambra tamin'ny efatra ora hariva teo, saingy tsy tamin'ny toerana mahazatra aty amin'ny fitsangatsanganana izay matetika mahadobo an-drano fa aty amin'ny manandrify ny hotely Chez Nônô.

Tsy hay ny antony nahatonga ny fahafatesan'ity lehilahy ity fa olona sendra nandalo no nahita azy natsikafon'ny ranomasina ka nampandre ny mpamonjy voina izay nidina teny an-toerana niaraka tamin'ny BMH, izay nanao ny fizahana, sy ny Zandary misahana ny ranomasina sy ny seranan-tsambo, ary ny TVHFB izay miandraikitra ny Village Touristique.

Nentina any amin'ny tranompatin'ny hopitalin'Androva ny razana mandra-pahitana ny havany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.